plt_tn/isa/23/10.md

1.2 KiB

Asao ny taninao, tahaka ny iasan'ny olona an'i Neily, ry zanakavavin'i Tarsisy. Tsy misy tsena intsony ao Tyro

Ireo mety ho heviny dia 1) Asain'Isaia manomboka mamboly voly ireo vahoakan'i Tarsisy satria tsy afaka mivarotra amin'i Tyro intsony rahateo izy ireo, na 2) Milaza amin'ny vahoakan'i Tarsisy Isaia fa afaka amin'ny fifehezan'i Tyro izy ireo. DH: "Iampitao tahaka ny renirano ny taninareo, ry zanaka vavin'i Tarsisy. Tsy manam-pahefana intsony ireo vahoakan'i Tyro"

zanakavavin'i Tarsisy

Ny "zanakavavin'ny" tanàna iray dia ilazana ny vahoakan'ilay tanàna. DH: "ny vahoakan'i Tarsisy" na "ireo olona izay monina ao Tarsisy"

Efa naninjitra ny tanany teo ambonin'ny ranomasina Yaveh, ary efa nanozongozona ireo fanjakana Izy

Ny fampiasan'i Yaveh ny fahefany hifehezana ny ranomasina sy ny olona avy amin'ny fanjakana mahery dia resahina toy ny hoe naninjitra ny tanany ka nanozongozona ilay fanjakana Izy.

Efa naninjitra ny tanany teo ambonin'ny ranomasina

Eto ny "tanana" dia ilazana ny hery sy fahefan'Andriamanitra. DH: "nampiseho ny heriny teo amin'ny ranomasina"

ry virijiny ory zanakavavin'i Sidona

Eto ny "zanaka vavy virjiny" dia ilazana ny vahoakan'i Sidona. DH: "ry vahoakan'i Sidona, satria hampahory anareo ny olona hafa"