plt_tn/isa/23/06.md

951 B

Miampità any Tarsisy

"Zory makany Tarsisiy ny dianao." Tarsisy dia iray amin'ireo tany lavitra indrindra izay nandehanan'ireo vahoakan'i Tyro mba hanaovana fandraharahana. Io ihany no ho toerana azo antoka ho an'ireo izay nandositra an'i Tyro.

Moa ve nitranga taminao izany, ry tanàna ravoravo, izay avy amin'ny andro taloha no nipoirany ... mba hitoerana?

Mampiasa fanontaniana Yaveh mba hanesoana an'i Tyro. Azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra io fanontaniana fampisainana io. DH: "Nitranga taminareo tokoa izany fony ianareo feno hafaliana tao amin'ny tanànan'i Tyro fahiny ... mba hitoetra.''

ry tanàna ravoravo

Eto ny ''tanàna" dia ilazana ny vahoaka. DH: "ireo vahoaka ravoravo izay monina ao amin'ny tanànan'i Tyro"

izay nentin'ny tongony lavitra any amin'ireo toerana vahiny mba hitoerana

Eto ny "tongotra" dia ilazana ny olona manontolo. DH: "izay nandeha tany amin'ny toerana lavitra mba honina sy hahazo vola"