plt_tn/isa/22/20.md

1.5 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Milaza ny hafatr'Andriamanitra amin'ny Sebna hatrany Isaia.

Amin'izany andro izany

Eto ny "andro" dia ilazana ny fe-potoana amin'ny ankapobeny.

Eliakima ... Hilkia

Anaran-dehilahy ireo.

Hampiakanjoako amin'ny akanjo lavanao izy ary hasiako ny samboadinao

Ny ataon'i Yaveh mba hakan'i Eliakima ny toeran'i Sebna ao amin'ny lapan'ny mpanjaka dia resahina toy ny hoe hampiakanjo an'i Eliakima amin'ny akanjpn'i Sebna Yaveh, izay maneho ny fahefany ao amin'ny lapan'ny mpanjaka.

akanjo lavanao ... samboadinao

Eto ny akanjo lava sy ny samboady dia maneho fahefana ao amin'ny lapan'ny mpanjaka.

samboadinao

Io dia tapa-damba izay anaovan'ny olona manodidina ny valahana na misadika eo amin'ny tratra. Adikao araka ny nataonao tao amin'ny 3:18 io.

ho eo an-tanany

Eto ny "tanana" dia ilazana ny hery na fahefana. DH: "aminy"

Ho rain'ny

Ny fiahian'i Eliakima sy ny fiarovany ny vahoakan'i Joda dia resahina toy ny hoe ho rainy izy. DH: "ho tahaka ny rain'ny"

ankohonan'ny Joda

Eto ny "ankohonana" dia ilazana ny olona. DH: "vahoakan'i Joda''

Hapetrako eo an-tsorony ny fanalahidin'ny ankohonan'ny Davida ... tsy hisy hamoha

Eto ny "fanalahidy" dia ilazana ny fahefana. Ny fananan'i Eliakima fahefana izay tsy azon'iza na iza toherina dia resahina toy ny hoe afaka manidy na mamoha varavarana izy. DH: "Hataoko miandraikitra an'ireo izay miasa ao amin'ny lapan'ny mpanjaka izy, ary rehefa manapa-kevitra izy dia tsy hisy afaka hanohitra azy"