plt_tn/isa/19/24.md

824 B

Israely no ho fahatelo miaraka amin'i Egypta sy Asyria

Maneho ny vahoakan'ireo firenena ireo ny anaran'ireo firenena telo ireo. DH: "Ny Israelita no ho fahatelo miaraka amin'ny Egyptiana sy ny Asyriana"

fahatelo miaraka amin'i

Ireo mety ho heviny dia 1) "hikambana amin'i" na 2) "ho fitahiana fahatelo miaraka amin'i " na 3) "hitovy amin'i."

Ho tahiana anie Egypta, vahoako; i Asyria, ilay asan'ny tanako; ary Israely, lovako

Ny anaran'ireo firenena telo ireo dia manondro ny vahoakan'ireo firenena ireo. DH: "Efa nitahy anao Aho, ry vahoakan'i Egypta, satria oloko ianao; ary nitahy anao Aho, ry vahoakan'i Asyria, satria Izaho no nahary anao; ary efa nitahy anao Aho, ry vahoakan'Israely, satria fananako azo antoka ianao"

ilay asan'ny tanako

Eto ny "tanana" dia ilazana ny herin'Andriamanitra sy ny asany.