plt_tn/isa/17/01.md

1.3 KiB

momba an'i Damaskosy

Anaran-tanàna ny hoe Damaskosy. Adikao araka ny ao amin'ny 7:7

Hafoy ireo tanànan'i Aroera

DH: "Handao ny tanànan'i Aroera avokoa ny olona rehetra"

tsy hisy hampitahotra azy ireo

Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro ireo ondry.

Ireo tanàna voaaro sy ilay sisa tavelan'i Arama dia hanjavona tsy ho ao Efraima

Efraima no foko lehibe indrindra ao Israely. Eto izany dia maneho ny fanjakana tavaratra rehetra. DH: "Hanjavona tsy ho ao Israely ireo tanàna mahery"

hanjavona

Tsy midika akory izany fa ho levona izy ireo, fa kosa ireo tanàna no ho rava.

ilay fanjakana avy any Damaskosy

Ny teny "ho levona" dia azo alaina avy amin'ny andianteny teo aloha. Damaskosy no toerana izay nanapahan'ny mpanjakan'i Syria. Ny anjavonan'ny fanjakana dia maneho ny mpanjaka tsy manana fahefana

Syria

Syria dia anarana firenena iray. Adikao araka ny nandikanao azy izany ao amin'ny 7:1.

ho tahaka ny voninahitry ny vahoakan'Israely ireo

Satria ny vahoakan'Israely tsy be voninahitra intsony, Izany midika fa tsy hanam-boninahitra intsony koa ny sisa tavelan'i Syria. DH: "Tsy ho be voninahitra intsony izy ireo, tahaka ny vahoakan'Israely ihany" na "Hitondra henatra ho azy ireo tahaka ny nataoko tamin'Israely Aho"

fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro

Adikao izany araka ny nanaovanao azy ao amin'ny 14:21.