plt_tn/isa/16/03.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ity no manohy ny faminaniana momba ny vahoakan'i Moaba. Faritan'Andriamanitra toy ny hoe mitranga izao ireo tranga izay hiseho amin'ny ho avy. Ny andininy fahatelo sy fahefatra dia mety ho ilay hafatra izay nalefan'ny mpanapaka Moabita tamin'ny mpanjakan'i Joda. Jereo ny (15:1)

manomeza alokaloka tahaka ny alina amin'ny mitataovovonana

Ny hafanana amin'ny mitataovovonana dia maneho ny fijalian'ireo Moabita tamin'ny fahavalony, ary ny alokaloka dia maneho fiarovana amin'ny fahavalon'izy ireo. Ny fampitahana ny alokaloka amin'ny alina dia mampiseho fa mila fiarovana mafy izy ireo. DH: "arovy tanteraka amin'ny fahavalonay izahay, tahaka ny aloka lehibe izay miaro ny olona amin'ny masoandro mahamay"

Aoka honina eo aminareo izy ireo, dia ireo mpitsoa-ponenana avy any Moaba

"Avelao honina miaraka aminareo ireo mpitsoa-ponenana avy any Moaba." Eto ny hoe "aminareo" dia manondro ny vahoakan'i Joda.

meteza ho toerana fiafenana ho azy ireo amin'ny mpandringana

Ny fanomezana toerana fiafenana dia resahina toy ny hoe ianao ilay toerana fiafenana. DH: "omeo toerana hiafenana amin'ireo izay mitady handripaka azy izy ireo" na "afeno amin'ireo izay te handripaka azy izy ireo"