plt_tn/isa/15/01.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Matetika ny tranga amin'ny faminaniana izay hitranga amin'ny ho avy dia faritana toy ny hoe mitranga ankehitriny na tamin'ny lasa. Izany dia manamafy fa hiseho tokoa ilay tranga.

Fanambarana

"Izo no ambaran'i Yaveh" na "Ity no hafatra avy amin'i Yaveh"

Ara ... Kira ... Dibona ... Nebo ... Medeba

Ireo dia anaran-tanàna sy vohitra any Moaba.

foana sy potika i Ara-moaba

Ny teny hoe "foana" sy "potika" dia mitovy hevitra ary manamafy fa rava tanteraka ny tanàna. DH: "Ho potehin'ny tafika fahavalo tanteraka i Ara-moaba"

niakatra ho any amin'ny avo ny olon'i Dibona mba hitomany

Eto ny hoe "ho any amin'ny avo" dia entina ilazana tempoly na alitara izay naorina eny amin'ny tany avo tahaka ny havoana na sisin-tendrombohitra. DH: "niakatra ho any amin'ny tempoly eny an-tampon-kavoana mba hitomany"

mitomany ny amin'i Nebo sy Medeba i Moaba

Io teorana io dia ilazana ireo olona izay monina ao. DH: "hitomany ny vahoakan'i Moaba nohon'ny amin'izay nanjo ny tanànan'i Nebo sy Medeba"

Voaharatra ho sola ny lohan'izy ireo ary voatapaka ny volom-bavan'izy rehetra

Manao izany izy ireo mna hampisehoana ny alahelony mafy. DH: "Hanaratra ny lohany sy hanapaka ny volombavany izy ireo ka hitomany"