plt_tn/isa/14/15.md

995 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ity dia ampahany amin'ny hira fanesoana ho hirain'ny Israelita amin'ny mpanjakan'i Babylona.

Kanefa nahidina tany amin'ny fiainan-tsy hita ianao

DH: "Fa ankehitriny dia nalefan'Andriamanitra nidina tany amin'ny Fiainan-tsy hita ianao"

Moa ity ve ilay lehilahy

Na haneso ny mpanjakan'i Babylona, na hanehoana ny fahatairana nohon'ny amin'ny zavatra nanjo azy no ampiasain'ny olona io fanontaniana io. DH: "Tsy ity tokoa ilay rangahy"

izay nampangovitra ny tany

Ireo mety ho heviny dia 1) nihovitrovitra ny tany nony nandeha mba handresy vahoaka ny mpanjaka, na 2) io dia entina ilazana ny vahoakan'ny tany izay mangovitry ny tahotra azy.

izay nampihozongozona ireo fanjakana

Ireo mety ho heviny dia 1) io dia sarinteny ilazana ny hoe "naharesy fanjakana" na 2) io dia fibangoan-teny ilazana ny "vahoaka mihorohoron'ny fanjakana."

izay nanao izao tontolo izao ho tahaka ny efitra

"izay nahatonga ny toerana nonenan'ny olona ho tany efitra"