plt_tn/isa/14/07.md

1.4 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ity dia ampahany amin'ny hira fanesoana ho hirain'ny Israelita amin'ny mpanjakan'i Babylona.

ny tany manontolo

Manondro ny olona rehetra eto an-tany io. DH: "ny olona rehetra eto an-tany"

Na dia ny hazo kypreso aza dia mifaly aminao mbamin'ireo sederan'i Libanona

Resahin'Isaia toy ny hoe olona izay afaka mifaly ny hazo. Izany dia manamafy fa zavatra lehibe tokoa izany nampitsaharan'Andriamanitra ny mpanjakan'i Babylona izany hany ka na ny natiora aza dia mifara raha azony natao. DH: "ho toy ny hoe mifaly aminao ny hazo kypreso mbamin'ireo sederan'i Libanona"

mifaly aminao

Azo atao mazava ny antony hialian'ireo. DH: "hifaly ny amin'ny nanaovan'Andriamanitra anao tsy hanan-kery"

satria nahetry ambany ianao

Ny fihetrena ambany dia maneho ny tsy fananan-kery sy fahambaniana. DH: "satria lasa tsy manan-kery ianao"

Maika hitsena anao ny Fiainan-tsy hita ambany

Ny Fiainan-tsy hita dia resahina toy ny hoe olona izay maika hitsena vahiny. Misy hevitra ambadika izany fa maty ilay mpanjaka. DH: "tahaka ny mpandray vahiny maika hitsena anao ny Fiainan-tsy hita"

Mamoha ny maty ho anao izany, ry mpanjakan'ny tany rehetra

"mamoha ny maty ho anareo, mpanjakan'ny tany rehetra izany." Ny Fiainan-tsy hita dia resahina toy ny hoe olona izay afaka mamoha ireo izay ao aminy. DH: "Mifoha hiarahaba anao ny mpanjaka maty rehetra any amin'ny Fiainan-tsy hita"