plt_tn/isa/12/03.md

829 B

Amin-kafaliana no hanovozanao rano avy amin'ny loharanon'ny famonjena

Ny olona vonjena dia resahin'Isaia toy ny hoe mahazo famonjena toy ny amin'ny fomba hahazoan'ny olona rano avy ao am-pantsakana. DH: "hifaly ianao rehefa mamonjy anao Izy, tahaka ny fifalian'ny olona rehefa manovo ravo avy ao am-pantsakana"

miantsoa ny Anarany

Eto ny hoe "Anarany" dia manondro an'i Yaveh. Ny fiantsoana Azy dia ilazana ny ny fiderana Azy na ny fangatahana fanampiana aminy. DH: "derao mafy Izy" na "miantsoa Azy mba hanampy anao"

ambarao amin'ny olona ireo asany

Ny teny hoe "asa" dia azo adika amin'ny andian-teny hoe "izay nataony." DH: "Ambarao amin'ny olona ireo zava-tsoa nataony"

ambarao fa nasandratra ny Anarany

Eto ny "Anarany" dia manondro an'i Yaveh. DH: "ambarao fa efa nasandratra Izy" na "ambarao fa lehibe Izy"