plt_tn/isa/11/08.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Tohizan'Isaia ny famaritana hoe ho toy ny ahoana izao tontolo izao rehefa manjaka ny mpanjaka.

Hilalao eo an-davaky ny menarana ny zaza

Azo ambara mazava fa tsy haninona ilay zaza satry tsy hanaikitra azy ilay bibilava. DH: "Hilalao am-pilaminana eo amin'ny lavaky ny bibilava ny zaza"

ny menarana ... eo an-davaky ny bibilava

Ireo teny ireo dia ilazana ny bibilava misy poisina amin'ny ankapobeny. DH: "ireo menarana ... eo an-davaky ny bibilava"

ny zaza nisara-nono

zaza izay tsy misotro ny rononon-dreniny intsony

tendrombohitro masina rehetra

Ny "tendrombohitro masina" dia ny Tendrombohitr'i Ziona, ao Jerosalema. DH: "tendrombohitra masin'i Yaveh"

ho feno fahalalana an'i Yaveh ny tany

Ny andian-teny hoe "fahalalana an'i Yaveh" dia maneho ireo olona izay mahalala an'i Yaveh. DH: "ho fenon'ireo izay mahalala an'i Yaveh ny tany" na "ireo izay mahalala an'i Yaveh dia handrakotra ny tany"

toy ny rano mandrakotra ny ranomasina

Io andian-teny io dia ampiasaina hampisehoana ny ho fahafenoan'ny tany olona izay mahalala an'i Yaveh. Mety hazava kokoa fa izany no izy raha mitovy amin'ny teny eo aloha ny teny ao amin'izany. DH: "toy ny ranomasina izay feno rano"