plt_tn/isa/11/06.md

1.6 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Faritan'Isaia hoe ho toy ny ahoana izao tontolo izao rehefa manjaka ny mpanjaka. Hisy filaminana tanteraka eto amin'izao tontolo izao. Ho hita amin'ny filaminana na eo amin'ny biby aza izany. Ny biby izay mamono ny biby hafa raha ny tokony ho izy dia tsy hamono azy ireo, ary hiara-hilamina izy ireo.

amboadia ... leoparda ... leoparda ... ny bera ... Ny liona

Ireo teny ireo dia ilazana ny biby amin'ny ankapobeny, fa tsy ambodia na leoparda manokana akory. Ireo rehetra ireo dia biby matanjaka izay mamely ary mihinana biby hafa. DH: "ireo amboadia ... leoparda ... leoparda ... ny bera ... ireo liona"

ny zanak'ondry ... ny zanak'osy ... ny zanak'omby mifahy ... Ny ombivavy ... ny omby

Ireo teny ireo dia ilazana ireo biby ireo amin'ny ankapobeny, fa tsy zanak'ondry na osy manokana akory. Ireo dia biby mihinana vilona sy mololo. Indraindray ireo biby hafa dia manafika ary mihinana ireo. DH: "ireo zanak'ondry ... ireo zanak'osy ... ireo zanak'omby mifahy ... ireo ombivavy ... ireo omby"

leoparda

saka goavana mavo volo misy tsipitsipika mainty ary mihinana biby hafa

Ny ombivavy sy ny bera dia hiara-hiraoka, ary ny zanak'izy ireo hiara-mandry

DH: "hiaraka ny ombivavy, ny liona, sy ny zanak'omby mifahy"

bera

biby goavam-be misy volo matevina sy hoho maranitra izay mamono sy mihinana biby hafa

Ankizy kely no hitarika azy ireo

Ankizy kely no hikarakara ireo ary hitarika ireo any amin'ny toerana tsara mba hisotro rano sy hihinam-bilona na ahitra.

hiara-hiraoka

"hiara-hihinam-bilona"

ny zanak'izy ireo

Io dia entina ilazana ny taranak'ireo biby aoriana kelin'ny ahaterahan'izy ireo.