plt_tn/isa/11/03.md

2.7 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manohy mamaritra ilay mpanjaka Isaia.

tsy hitsara araka izay hitan'ny masony izy

Ny andian-teny hoe "izay hitan'ny masony" dia entina ilazana ny fahitana zavatra izay tsy dia lehibe ka hitsarana ny olona araka ny marina. DH: "tsy hitsara ny olona amin'ny fahitana ny endrik'ilay olona fotsiny izy"

na hanapa-kevitra araka izay ren'ny sofiny

"ary tsy hanapa-kevitra araka izay ren'ny sofiny." Ny andian-teny hoe "izay ren'ny sofiny" dia entina ilazana ny fandrenesana izay lazain'ny olona momba ny olona iray. DH: "ary tsy hitsara ny olona amin'ny fahenoana izay lazain'ny hafa momba azy fotsiny izy"

mahantra ... mpanetry tenan'ny ... ratsy fanahy

Ireo teny ireo dia ilazana ireo izay manana ireo toetra ireo. DH: "ireo olona mahantra ... ireo olona mpanetry tenan'ny ... ireo olona ratsy fanahy

Hamely ny tany amin'ny tsorakazon'ny vavany izy ... ary hamono ny ratsy fanahy amin'ny fofon'ain'ny molony

Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo.

Hamely ny tany amin'ny tsorakazon'ny vavany izy

Ny teny hoe "tany" eto dia maneho ny olona eto an-tany. Ny famelezana azy ireo amin'ny tsorakazon'ny vavany dia entina ilazana ny fitsarana azy ireo, ary izany fitsarana izany dia hitondra amin'ny famaizana. DH: "Hitsara azy ny vahoakan'ny tany izy, ary ho faizina izy ireo"

ary hamono ny ratsy fanahy amin'ny fofon'ain'ny molony

Ny "fofon'ain'ny molony" dia entina ilazana ny fitsarany azy ireo. DH: "hitsara ny ratsy fanahy izy, ary ho faty izy ireo"

fehinkibon'ny andilany ... fehinkibo mihodidina ny valahany

Ireo mety ho heviny dia 1) ny fehinkibo dia ampiasaina mba hamehezana ny akanjon'ny olona iray mba hahafahany miasa, na 2) ny fehinkibo dia atin'akanjo, na 3) ny fehinkibo dia samboady izay anaovan'ny mpanjaka mba hampisehoana ny fahefany.

Ny fahamarinana no ho fehinkibon'ny andilany

Ny fitafiana fahamarinana tahaka ny fehinkibo dia ilazana ny maha-marina ny olona iray. Ireo mety ho heviny dia 1) ny fahamarinan'ny mpanjaka no hahatonga azy hanjaka. DH: "Ny fahamarinany dia ho tahaka ny fehinkibo manodidina ny valahany" na 2) ny fahamarinan'ny mpanjaka no hampiseho ny fahefany hanapaka. DH: "Hanapaka amin'ny fahamarinana izy"

fahatokiana no fehin-kibo mihodidina ny valahany

DH: "ny fahatokiana no ho fehinkibo manodidina ny valahany"

fahatokiana no fehin-kibo mihodidina ny valahany

Ny fitafiana ny fahatokiana tahaka ny fehinkibo dia ilazana ny olona mahatoky. Ireo mety ho heviny dia 1) Ny fahatokian'ny mpanjaka no hampanjaka azy, na 2) Ny fahatokian'ny mpanjaka no hampiseho ny fahefany hanapaka. DH: "ny fahatokiana dia ho tahaka ny fehinkibo manodidina ny valahany" na "hanapaka amin'ny fahatokiana izy"