plt_tn/isa/11/01.md

1.1 KiB

Hisy solofony hitsimoka avy amin'ny fototr'i Jese ... hisy rantsana avy amin'ny fakany hitondra voany

Jese sy ny taranany dia resahin'Isaia toy ny hoe hazo izay notapahina. Ireo andian-teny ireo dia samy miresaka momba ny taranak'i Jese izay ho mpanjaka. DH: "Tahaka ny solofo izay mitsimoka amin'ny foto-kazo, toy izany koa dia hisy taranak'i Jese ho tonga mpanjaka eo amin'izay sisan'Israely"

fototr'i Jese

Ny fototra eto dia izay tavela amin'ny hazo rehefa avy nokapaina. Ny "fototr'i Jese" dia entina ilazana izay tavela amin'ny fanjakan'i Davida zanak'i Jese izay nahampanjaka azy.

Hitoetra ao aminy ny Fanahin'i Yaveh

Ny fitoerana eo aminy dia maneho ny fiarahana aminy sy fanampiana azy. Ny teny hoe "aminy" dia manondro ilay iray izay ho tonga mpanjaka.

fanahin'ny fahendrena ... ilay fanahin'ny fampianarana ... ilay fanahin'ny fahalalana ... tahotra an'i Yaveh

Eto ny teny hoe "fanahy" dia entina ilazana ny fahafahana na ny zavatra tsara izay homen'ny Fanahin'i Yaveh azy. DH: "ary hahatonga azy hanana fahendrena, fianarana sy hery, fahalalana ary tahotra an'i Yaveh izy"