plt_tn/isa/10/24.md

952 B

Asyriana

Ataon'i Yaveh toy ny hoe olona iray ihany ny mpanjakan'i Asyria sy ny tafiny. DH: "ny mpanjakan'i Asyria sy ny tafiny"

Hamely anao amin'ny tsorakazo izy, ary hanangana ny tehiny aminao

Ny teny hoe "izy" dia manondro ny "Asyriana" ary ilazana ny mpanjakan'i Asyria sy ny tafiny. Ny teny hoe "tsorakazo" sy "tehina" dia ilazana ny tapa-kazo izay ampiasain'ny olona ho karavasy hikapohana biby na olona hafa. Ny fomba fanapahan'ny Asyriana eo amin'ireo Israelita dia resahin'Isaia toy ny hoe mikapoka ireo Israelita amin'ny karavasy izy ireo. DH: "Hanapaka eo aminareo ny Asyriana ary hanandevo anareo"

nataon'ireo Egyptiana

Azo atao mazava ny hevitra fenon'io fanambarana io. DH: "tahaka ny nanapahan'ny Egyptiana teo amin'ireo razanareo ka nanaovany azy ireo ho andevo"

hitarika ho amin'ny faharavany ny hatezerako

Ny teny hoe "faharavany" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny. DH: "ho potehiko izy satria tezitra aminy aho"