plt_tn/isa/10/15.md

1.5 KiB

5Moa ve ny famaky hirehareha momba ny tenany amin'izay mampiasa azy? Moa ve ny tsofa hidoka ny tenany noho ilay iray izay manapaka amin'ny alalan'izany?

Mampiasa ireo fanontaniana ireo ny mpiteny hanesoana ny mpanjakan'i Asyria. DH: 'Tsy afaka mirehereha ny famaky fa tsara noho ilay mitana izany. Ary ny tsofa dia tsy mahazo voninahitra noho ilay iray izay manapaka amin'izany."

tsofa

fitaovana maranitra hanapahana hazo

Izany dia tahaka ny hoe afaka manainga an'ireo izay manainga izany ny tsorakazo iray na toy ny hoe afaka manainga olona ny tsorakazo

Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo ary miara-ampiasaina mba hanamafisana ny hevitr'ireo fanontaniana roa nialoha azy. Azo adika amin'ny endrika fehezanteny vaovao io. DH: "Ary ny tsorakazo na ny tehina dia tsy afaka manainga ny olona izay mitsimpona izany"

Noho izany dia handefa fahiazana eo amin'ireo mpiadiny sangany i Yaveh Tompon'ny maro

Tsy mazava raha Yaveh na Isaia no miteny eto. Azo averina arafitra io mba ho azo adika hoe "osa tokoa" ny teny hoe "fahiazana." DH: "Noho izany, Izaho Yaveh tompon'ny maro, dia hahatonga ny miaramilan'ny mpanjaka matanjaka indrindra ho osa tanteraka"

eo ambanin'ny voninahiny dia hisy firehetana tahaka ny afo mirehitra

Mampitaha ny famaizany amin'ny afo Yaveh. Manamafy izany fa ny famaizany dia hamotika tanteraka ny famirapiratana sy ny fahalebiazan'ny fanjakan'i Asyria. DH: "ho petehiko toy ny fampirehetana afo mba handoro ny zavatra rehetra ireharehany ny fahalebiazany"