plt_tn/isa/09/20.md

916 B

Handrapaka ny sakafo amin'ny tanana ankavanana izy ireo ... tanana ankavia

Io fomba fiteny io dia midika fa handrapaka sakafo eny amin'izay mety ahitany izany ny olona.

Na dia ny tsirairay aza dia hihinana ny nofon'ny sandriny ihany

Ireo mety ho heviny dia 1) ho noana tokoa ny olona hany ka haniry hihinana na tena hihinana ny sandriny tokoa, na 2) ny teny hoe "sandry" dia sarinteny ilazana ny naman'ny olona iray.

Amin'izany zavatra rehetra izany, dia tsy mihena ny fahatezerany; fa kosa, mbola mihinjitra hatrany ny tanany

"Na dia nitranga aza ireo zavatra rehetra ireo, dia mbola tezitra ihany Izy, ary ny tanany." Adikao araka ny ao amin'ny 5:25.

mbola mihinjitra hatrany ny tanany

Resahin'Isaia toy ny hoe olona izay efa hamely totohondry olon-kafa Yaveh. Sarinteny ilazana ny famaizan'i Yaveh an'Israely izany. Adikao araka ny ao amin'ny 5:25. DH: "mbola vonona ny hanafay azy ireo ihany Izy"