plt_tn/isa/08/19.md

2.8 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Miteny Isaia.

Hiteny aminao izy ireo hoe: "Anontanio ireo mpahita sy ireo mpisikidy," ireo izay tsindrian-javatra mimonomonona sy mibitsibitsika fiantsoana. Fa tsy tokony hanontany ny Andriamaniny ve ny olona? Tokony hila saina amin'ny maty ho an'ny velona ve izy ireo? Araka ny lalàna sy ny fijoroana vavolombelona!

Ireo mety ho heviny dia 1) "Hilaza aminao izy ireo hoe: 'Manontania amin'ireo mpahita sy mpsikidy, ireo izay tsindrian-javatra mimonomonona sy mibitsibitsika fiantsoana. Fa tsy tokony hanontany ny Andriamaniny ve ny olona? Tsy tokony hila saina amin'ny maty ho an'ny velona ve izy ireo ny amin'ny lalàna sy ny fijoroana vavolombelona." na 2) "Rehefa milaza aminao izy ireo hoe: 'Manontania amin'ireo mpahita sy mpsikidy, ireo izay tsindrian-javatra mimonomonona sy mibitsibitsika fiantsoana,' tsy tokony hanontany ny Andriamaniny ve ny olona? Tokony hila saina amin'ny maty ho an'ny velona ve izy ireo? Araka ny lalàna sy ny fijoroana vavolombelona!"

Hiteny aminareo izy ireo hoe

Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro ireo izay tsy matoky an'i Yaveh. Ny teny hoe "aminareo" dia manondro ireo matoky an'i Yaveh.

Anontanio ireo mpahita sy ireo mpisikidy

"Anontanio amin'ireo mpahita sy ireo mpisikidy izay tokony hatao"

mpahita sy ireo mpisikidy

ireo izay milaza ho miresaka amin'ireo izay efa maty

ireo izay tsindrian-javatra mimonomonona sy mibitsibitsika fiantsoana

Ny teny hoe "mimonomonona" sy "mibitsibitsika" dia ilazana ny feo ataon'ireo mpahita sy ireo mpisikidy rehefa miezaka hiresaka amin'ny maty izy ireo. DH: "ireo izay mibitsibitsika sy mimonomonona milaza teny manan-jina ary miezaka hiresaka amin'ny maty"

tsindrian-javatra mimonomonona

manao feom-borona

Fa tsy tokony hanontany ny Andriamaniny ve ny olona? Tokony hila saina amin'ny maty ho an'ny velona ve izy ireo?

Ireo fanontaniana ireo dia mampiseho fa afaka mila saina amin'Andriamanitra ny olona fa tsy manao zavatra adaladala amin'ny fiezahana hiresaka amin'ny maty. DH: "Fa tokony mangataka amin'Andriamanitra mba hitarika azy ireo ny olona. Tsy tokony hitady valiny avy amin'izay efa maty izy ireo"

Araka ny lalàna sy ny fijoroana vavolombelona

Ireo mety ho heviny dia 1) "Mitandrina ny toro-lalan'Andriamanitra sy ny fampianarany" na 2) "Dia aoka ho tsaroanao ny fampianarana sy ny fijoroana vavolombelona natolotro." (8:16).

ny lalàna

Io ihany ilay teny nadika hoe "firaketana ofisialy" ao amin'ny 8:16.

fijoroana vavolombelona

Adikao araka ny ao amin'ny 8:16.

Raha tsy miteny zavatra tahaka izany izy ireo

"Raha tsy miresaka momba ny lalàna sy ny fijoroana vavolombelona izy ireo"

dia satria tsy manana ny fahazavan'ny maraina

Ny olona izay tsy mahalala an'Andriamanitra dia resahin'Isaia toy ny hoe olona mandeha amin'ny aizina tsy misy fahazavana. DH: "dia satria tahaka ny olona very anaty aizina izy ireo"