plt_tn/isa/08/08.md

20 lines
1.1 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Manohy mamaritra ny tafik'i Asyria ho tahaka ny renirano izay hifaoka an'i Joda ny Tompo. (Jereo ny 8:5)
# Ilay Renirano dia hifaoka manomboka ao amin'i Joda, hanondraka sy hamakivaky, mandra-pahatongan'izany eo amin'ny tendanao
Tahaka ny fandriaky ny rano ny tafik'i Asyria. DH: "Miaramila maro mihamaro no ho avy tahaka ny renirano miakatra eny an-tendanao"
# Ilay Renirano
Ny reniranon'i Eofrata izay ao Asyria. Io dia fibangoan-teny ilazana ny miaramila Asyriana, izay ho tonga avy any amin'ny tranony avy eo amin'ny Reniranon'i Eofrata (8:5).
# Ireo elany mivelatra dia hameno
Ireo mety ho heviny dia 1) rehefa miakatra "ilay Renirano" amin'ny sarinteny, dia mandriaka "ny elany" ary manafotra ny tany maina teo aloha, na 2) miova sariteny Isaia ary izao dia miresaka momba an'i Yaveh ho tahaka ny vorona izay miaro ny tany: "saingy hanarona ... ny elany mivelatra."
# Imanoela
Azon'ny mpandika teny atao ny manisy fanamarihana izay manao hoe: "Ny anarana hoe Imanoela dia midika hoe "momba antsika Andriamanitra." Andikao araka ny ao amin'ny 7:13 ity.