plt_tn/isa/02/20.md

1.7 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Miresaka amin'ireo vahoakan'i Joda amin'ny endrika hai-kanto Isaia. Manohy mamaritra izay hitranga amin'ny andron'i Yaveh Tompon'ny maro izy (2:12).

trandraka sy ramanavy

Ny trandraka dia biby madinika izay mihady lavaka ary mipetraka any ambany tany. Ny ramanavy indray dia biby madinika manidina izay mipetraka anaty laza-bato matetika. DH: "ho an'ny biby"

lavaka eo amin'ny vato ... tsefatsefaky ny harambato

Raha tsy manana teny roa samihafa ilazana ny lavaka eo amin'ny vato sy "harambato", ilay elanelana eo amin'ny vato roa rehefa mitriatra izany, ny fiteninao dia azonao akambana ho andian-teny iray ihany ireo andian-teny roa ireo.

lavitry ny horohoro an'i Yaveh

satria matahotra mafy an'i Yaveh izy ireo. Adikao araka ny ao amin'ny 2:17.

voninahitry ny fiandrianany

"ny hatsarana sy heriny lehibe amin'ny maha-mpanjaka Azy" na "ny famirapiratany amin'ny maha-mpanjaka Azy." Adikao araka ny ao amin'ny2:9.

rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy

"rehefa mihetsika Yaveh ka mahatonga ny olona ety an-tany hatahotra Azy mafy." Adikao araka ny ao amin'ny 2:17.

izay eo amin'ny vavorony ny fofon'ainy

Ny orona dia malemy ary ny vavorona dia tsy mahafatifaty, koa ny orona dia ilazana ny olona izay osa. DH: "izay osa ka ho faty" na "izay mila fofonaina ao amin'ny orony mba ho velona"

vavorony

ireo lavaka eo amin'ny orona izay hiainan'ny olona

fa inona no afaka hanampiany?

Mampiasa fanontaniana Isaia mba hampatsiahivana ny olona ny zavatra izay tokony efa ho fantany. Io fanontaniana io dia azo adika ho fanambarana tsotra. DH: "fa tsy hanampy na inona na inona ny olona!" na "fa tsy misy dikany ny olona"