plt_tn/isa/02/14.md

1.3 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Miresaka amin'ireo vahoakan'i Joda amin'ny endrika hai-kanto Isaia. Manohy mamaritra izay hitranga amin'ny andron'i Yaveh Tompon'ny maro izy (2:12).

sy hanohitra

Ao amin'ny 2:14-16 Isaia dia mitanisa zavatra izay ho potehin'i Yaveh. Ireo mety ho heviny dia 1) manondro ireo olona mpirehareha izay hahetrin'Andriamanitra io na 2) Ho potehin'Andriamanitra tokoa ireo zavatra ao anaty lisitra ireo.

tendrombohitra ... havoana

Ireo teny ireo dia sarinteny ilazana ny fireharehan'ny Israelita. Hita ao amin'ny 2:1 ihany koa ireo.

izay efa nasandratra

Fo fiteny io. DH: "avo dia avo ireo"

tilikambo avo ... manda tsy laitra ravana

Ireo dia manondro ireo zavatra izay atsangan'ny olona manodidina ny tanànany mba hahafahan'izy ireo miaro-tena amin'ny fahavalony. Ireo dia sarinteny ilazana ny fireharehan'ny Israelita sy ny finoany fa tsy mila an'i Yaveh izy ireo ary afaka mijoro hanohitra ny famaizana izay hataon'i Yaveh amin'izy ireo nohon'ny fahotany.

manda tsy laitra ravana

"manda izay tsy misy afaka mandrava na miditra"

sambon'ny Tarsisy ... ireo sambo tsara tarehy rehetra

Ireo dia ilazana ny sambo lehibe izay nandehanan'ny olona lavitra an-dranomasina ary hiverenany hitondra etam-barotra ho an'ny tanàna.

sambon'ny Tarsisy

"sambo izay andehanan'izy ireo ho any Tarsisy"