plt_tn/isa/02/09.md

2.4 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ao amin'ny 2:9 Isaia dia miresaka amin'i Yaveh. Ao amin'ny 2:10-11 kosa Isaia dia miresaka amin'ireo vahoakan'i Joda. Samy amin'ny endrika hai-kanto no hiresahany.

Hiankohoka ny vahoaka, ary ny olona tsirairay hianjera

Eto ny fiondrehana amin'ny tany dia ilazana ny olona izay mietry tanteraka satria tsapan'izy ireo fa izay nitokiany rehetra dia tsy misy dikany avokoa, io dia azo atao hoe DH: "Hampahamenetra ny vahoaka Andriamanitra, ary ho fantatr'izy ireo fa izay nitokiany rehetra dia tsy misy dikany avokoa"

vahoaka

olombelona, mifanohitra amin'ny biby

aza manangana azy ireo

Ny teny hoe "manangana azy ireo" dia sarinteny ilazana an'i Yaveh mamela ny olona. DH: "aza mamela azy ireo"

Mandehana any amin'ny toerana feno vato

Ireo mety ho heviny dia tokony handeha 1) any anaty zohy eny amin'ny sisin'ny havoana na 2) any amin'ny toerana izay feno vato be izay azo hiafenana ny olona.

miafena any ambany tany

Ireo mety ho heviny dia tokony handeha hiafina 1) any an-davaka any ambany tany voajanahary na 2) any anaty lavaka izay lavahan'izy ireo ao amin'ny tany ny olona.

lavitry ny horohoro an'i Yaveh

Ny teny hoe "horohoro" dia azo adika amin'ny matoanteny "mihorohoro". DH: "hiala amin'ny fanatrehan'i Yaveh mampihorohoro" na "hiala amin'i Yaveh satria hatahotra Azy tanteraka ianao"

ny voninahitry ny fiandrianany

"ny fahatsarany sy ny heriny amin'ny maha-mpanjaka Azy" na "ny famirapiratany amin'ny maha-mpanjaka Azy." Adikao araka ny ao amin'ny 2:9.

Ny fianjonanjon'ny mason'ny olona dia hahetry

"Hahetrin'i Yaveh ny fianjonanjon'ny mason'ny olona." Ny olona manana maso "mianjonanjona" dia mijery ambonin'ny olona rehetra mba hampisehoana amin'izy ireo fa tsara noho izy ireo izy. Eto ny olona rehetra dia meloka nohon'ny fiheverana fa tsara noho Yaveh izy ireo, ary ny fomba fijerin'izy ireo an'izay manompo an'i Yaveh dia ilazana ny fieboeboan'izy ireo. DH: "Hataon'i Yaveh menatra ny olona rehetra satria mihevi-tena ho tsara noho Izy''

ireo olona mirehareha dia hahidina

"hataon'i Yaveh menatra ny tenany ihany ireo olona mirehareha." DH: "Hahetrin'i Yaveh ny fireharehan'ny olona." "Ny fireharehan'ny olona" dia ilazana ny olona mirehareha. DH: "Hahetrin'i Yaveh ireo olona mirehareha"

Yaveh irery ihany no hasandratra

DH: "Yaveh ihany no ho derain'ny olona"

amin'izany andro izany

Fomba fiteny io. DH: "amin'ny andro izay hitsaran'i Yaveh ny olon-drehetra"