plt_tn/isa/02/07.md

1.3 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Miresaka amin'i Yaveh amin'ny endrika hai-kanto Isaia.

Feno volafotsy sy volamena ny tanin'izy ireo ... feno soavaly ihany koa ny tanin'izy ireo ... Feno sampy ihany koa ny tanin'izy ireo

Resahin'Isaia toy ny hoe fitoeran-javatra izay nasian'ny olona volafotsy, soavaly, ary sampy ilay tany. Ny teny hoe "tany" dia ilazana ny olona mihitsy, ary ny teny hoe "feno" dia sarinteny ilazana ny olona manana ireo zavatra ireo. DH: "manana volafotsy marobe izy ireo... manana soavaly maro ihany koa ... Manana sampy maro ihany koa izy ireo"

ny asan'ny tanany ihany, zavatra izay nataon'ny ratsan-tanany ihany

Saika mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo ary manindry fa tsy tena andriamanitra ireo. Raha tsy manana teny amin'ny ankapobeny ilazana zavatra izay namboarin'ny olona ny fiteninao, dia azonao akambana ho iray ireo andian-teny ireo. DH: "zavatra izay nataon'izy ireo ihany"

ny asan'ny tanany ihany

Ny teny hoe "tanana" dia fibangoan-teny ilazana ny olona mihitsy. DH: "ny asany ihany" na "zavatra izay namboarin'izy ireo tamin'ny tanany"

zavatra izay nataon'ny ratsan-tanany ihany

Ny teny hoe "ratsan-tanana" dia fibangoan-teny ilazana ny olona mihitsy. DH: "zavatra izay namboarin'izy ireo tamin'ny ratsan-tanany ihany"