plt_tn/isa/01/05.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Miresaka amin'ny vahoakan'i Joda amin'ny endrika hai-kanto Isaia.

Nahoana ianareo no mbola voakapoka? Nahoana ianareo no mikomy hatrany hatrany?

Mampiasa ireo fanontaniana ireo Isaia mba hibedesana ny vahoakan'i Joda. Azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra ireo fanontaniana ireo. DH: "Manao zavatra izay tsy maintsy hamaizan'i Yaveh anareo hatrany ianareo."

ianareo

Eto ny teny hoe "ianareo" dia manondro ireo olona monina ao Joda.

Marary ny loha manontolo, torovana tanteraka ny fo.

Io sarinteny io dia mampitaha ny firenen'Israely amin'ny olona izay voakapoka. DH: "Tahaka ny olona izay voaratra loha ary torovana fo ianareo" na "Ianareo dia tahaka ny olona izay marary ny fo sy sainy manontolo"

Tsy misy faritra tsy maratra

Io dia azo atao hoe DH: "maratra ny momba anao rehetra" na "nisy nandratra ny momba anao rehetra"

mbola tsy voakatona, voadio, na nofehezina, na notsaboina tamin'ny diloilo akory ireny

Io sarinteny io dia mampitaha ny famaizan'Andriamanitra izay nomeny an'Israely amin'ny ratra ara-nofo. DH: "tsy nisy nanakatona, nanadio, namehy, na nitsabo tamin'ny diloilo"