plt_tn/hos/12/07.md

24 lines
1.1 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Miresaka momba an'Israely i Hosea mpaminany.
# mizana diso
Mampiasa mizana izay tsy dia mandanja ny lanjan'ny vola na ny vokatra izy vidiany na amidiny ny mpanao raharaham-barotra.
# tia fanambakana izy ireo
Misoloky amin'ireo mpanjifany amin'ny fandaingana sy fakana vola mihoatra izay tokony ho alainy ny mpanao raharaham-barotra.
# Tonga nanan-karena be tokoa aho; nahita harena ho an'ny tenako aho
Mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo ary midika fa mihevi-tena ho ambinina tokoa ireo vahoakan'i Efraima.
# nahita harena
Ny fahatongavana ho mpanan-karena amin'ny fivarotana dia resahina toy ny hoe mahita harena. DH: "Nahary vola betsaka aho"
# Tsy hahita heloka amiko amin'ny asako rehetra izy ireo, izay rehetra mety ho fahotana
Mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo ary manamafy fa mihevi-tena ho tsy misy tsiny ireo vahoakan'i Efraima. Ny fahafantarana fa nanota ny olona iray dia resahina toy ny hoe nahita fahotana tamin'izany olona izany. DH: "tsy ho hain'izy ireo fa nanao zavatra feno fahotana aho"