plt_tn/hos/12/01.md

1.4 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Miteny i Hosea mpaminany.

Efraima mihinan-drivotra

Eto "Efraima" dia maneho ny vahoakan'Israely rehetra. Ary ny "rivotra" koa dia maneho zavatra izay tsy misy ilàna azy sady mandalo. Ny fanaovan'ny vahoaka zavatra tsy manampy azy ireo dia resahina toy ny hoe mihinan-drivotra izy ireo.

ary manaraka ny rivotra avy any atsinanana

Ny rivotra avy any atsinanana dia mafana be sady mamotika ny tany. Eto izany dia maneho ny zavatra rehetra izay manimba. Ny fanaovan'ny olona zavatra izay hanimba azy ireo ihany dia resahina toy ny hoe manaraka ny rivotra avy any atsinanana izy ireo.

mitondra menaka oliva ho any Egypta

Nandefa menaka oliva ho fanomezana ho an'ny mpanjakan'i Egypta ny vahoakan'israely mba hiezahana handresy lahatra azy hanampy azy ireo.

Manana ady amin'i Joda ihany koa i Yaveh

Ny filazan'i Yaveh fa nanota taminy sy nandika ny didiny ny vahoakan'i Joda dia resahina toy ny hoe miampanga azy ireo eny amin'ny fitsarana Yaveh. Jereo ny nandikanao andian-teny mitovy amin'io ao amin'ny 4:1.

amin'i Joda ... hanafay an'i Jakoba noho ireo izay nataony ... hamaly azy Izy noho ireo asany

Eto "Joda" sy "Jakoba" dia samy maneho ny olon'i Joda. DH: "amin'ny vahoakan'i Joda ... hanafay azy ireo noho izay nataony ... hamaly azy ireo noho ireo asany"

ady

Io dia fitarainana ataon'ny olona iray amin'ny olona iray hafa any amin'ny fitsarana. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 2:2.