plt_tn/hos/11/10.md

802 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Miresaka momba ny amin'ny hanarenany ny vahoakany Yaveh.

Hanaraka an'i Yaveh izy ireo

Ny fanompoana sy fanajana an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe manaraka Azy.

ary hierona tahaka ny liona Izy

Ny fanaovan'i Yaveh ny fiverenan'ny olony amin'ny taniny ho azo atao dia resahina toy ny hoe miantso ny olony izy.

Ho avy am-pangovitana tahaka ny vorona ... tahaka ny voromailala

Hiverina hody haingana tahaka ny fiverenan'ny vorona amin'ny akaniny izy ireo. Ny "fangovitana" dia mety maneho ny fikopakopaky ny elatry ny vorona. Mety maneho ny fanetren'ny olona tena sy ny fanajany fatratra an'Andriamanitra.

fanambaran'i Yaveh

"izay nambaran'i Yaveh" na "izay nolazain'i Yaveh tamin'ny fomba manetriketrika." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 2:12.