plt_tn/hos/10/07.md

883 B

Ho rava ... ny mpanjakan'i Samaria

Io dia azo atao hoe DH: "Ho potehin'ny Asyriana ny mpanjakan'i Samaria"

ny tapa-kazo eo ambony rano

Midika izany fa tsy ho afa-manoatra tahaka ny tapa-kazo izay mitopatopa eny amin'ny rano ny mpanjakan'i Samaria.

Ho rava ny toerana avon'ny faharatsiana rehetra

Io dia azo atao hoe DH: "Ho potehin'ny Asyriana ireo fitoerana avon'Israely, izay nanaovan'ny olona ratsy"

Hilaza amin'ny tendrombohitra ny vahoaka hoe: "Sarony izahay!'' ary amin'ny havoana hoe: "Mianjerà aminay!"

Raha ny tena izy dia tsy miresaka amin'ny zavatra izay tsy afaka misaina na mandre azy ireo ny olona. Mahazo misafidy endrika hafa ny mpandika teny ho an'ity andalan-teny ity raha tsy mamela azy hanao fiteny tahaka izao ny fiteniny. DH: "Dia hilaza ny olona hoe: 'Irinay mba hanarona anay ny tendrombohitra!' ary 'Irinay mba hianjera aminay ny havoana!"'