plt_tn/hos/09/08.md

1.4 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Miteny i Hosea mpaminany.

Ny mpaminany no mpiambina an'i Efraima ho an'ny Andriamanitro

Ny "mpiambina" dia mitazana any ivelan'ny tanàna hijery raha misy loza tamy. Ny mpaminany mampitandrina ny olona rehefa manota sy ambava-lozan'ny ho faizin'ny Andriamaniny dia resahina toy ny hoe mpiambina ny tanàna. DH: "Tahaka ny mpiambina eo amin'ny Efraima ho an'Andriamanitra ny mpaminany"

Ny mpaminany no mpiambina an'i Efraima ho an'ny Andriamanitro

Ny dikan-teny sasany dia maandika io andalan-teny io hoe "Mpiambina an'i Efraima ny mpaminany miaraka amin'ny Andriamanitro"

Ny mpaminany no

Ilazana ny mpamianany amin'ny ankapobeny izay notendren'i Yaveh io. DH: "Ireo mpaminany no" na "ireo mpaminany marina no"

Efraima

Eto "Efraima" dia manondro ny vahoakan'Israely rehetra.

Fa misy fandri-borona amin'ny lalany rehetra

Ny "fandri-borona" dia fandrika ampiasaina ahazoana vorona. Midika izany fa ny vahoakan'Israely dia manao izay rehetra vitany mba hanakanana ny mpaminanin'i Yaveh. DH: "mamela-pandrika ho azy na aiza na aiza alehany" na "manao izay rehetra vitany ny vahoaka mba hanisiana ratsy azy"

Efa nanimba toetra fatratra toy ny tamin'ny andron'i Gibea izy ireo

"Nanota ny vahoakan'Israely ary lasa simba toetra tokoa tahaka azy ireo tany Gibea fahiny." Mety fanehoana ny fihetsika manafintohina nataon'ny fokon'i Benjamina naverina notantaraina tao amin'ny Mpitsara 19-21 izany.