plt_tn/hos/09/03.md

997 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Miteny i Hosea mpaminany.

tanin'i Yaveh

Ity fiteny ity dia manamarika fa mandray ny tanin'Israely ho fananany hatrany Yaveh, fa tsy fananan'ireo Israelita.

sakafo maloto

Izany dia sakafo izay lavin'ireo Israelita tsy hohanina tsotra izao satria hahatonga azy ireo ho tsy azo ekena amin'i Yaveh izany.

Ho toy ny sakafon'ny mpisaona aminy ny soron'izy ireo

Eto ny hoe "sakafon'ny mpisaona" dia ilazana izay hohanin'ny olona rehefa misaona satria naloto sady tsy azo ekena amin'Andriamanitra izy ireo. Midika izany fa raisin'i Yaveh ho maloto ny soron'ny vahoaka ary tsy ho ekeny.

Fa ny sakafon'izy ireo dia ho azy ireo irery ihany; tsy hiditra ny tranon'i Yaveh izany

Hanana sakafo hohanina ireo vahoakan'Israely, saingy tsy ho raisin'i Yaveh ho sorona izany.

tsy hiditra ny tranon'i Yaveh izany

Ny sakafo maloto dia resahina toy ny hoe afaka mifindra toerana ho azy izany. Mazava ho azy, tsy maintsy nentin'ny olona niaraka taminy izany.