plt_tn/hos/07/03.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Miteny Yaveh. Tsy mazava tsara ny lahatsoratra Hebreo any amin'ny toerana samihafa. Na izany aza, maro ny olona no mandika izany ho toy ny mamaritra an'ireo manam-pahefan'ny mpanjaka ho tsy mahatoky amin'Andriamanitra, ary mitetika ny hamono ny mpanjaka ihany koa, ary avy eo dia manatanteraka ny tetiny. Toa efa nitranga tsy indray tsy indroa izany. Ireo heloka ireo dia ambara mba ho ohatra fanehoana ny faharatsiana izay mandifotra ny firenena.

Izy rehetra dia mpijangajanga

Nanao fijangajangana ara-panahy tamin'ny fanompoan-tsampy sy ny tsy fahatokiana tamin'i Yaveh ny olona. Mety ho nampirafy ny vadiny tamin'ny fiarahana tamin'olon-kafa ihany koa izy ireo.

tahaka ny lafaoro nafanain'ny mpanao mofo

Midika izany fa nanam-paniriana mafy ny hanao ratsy ny olona. DH: "tahaka ny fatana izay hafanain'ny mpanao mofo"

famolavolana ny foto-koba

Isan'ireo dingana fanaovana mofo izany.

Tamin'ny andron'ny mpanjakantsika

Mety ho firavoravoana nataon'ny mpanjaka izany.

Naninjitra ny tanany

Mety midika fikambanana na fiombonana amin'ny olona iray. Midika izany fa mikambana amin'ny manam-pahefany mba hanisratsira ireo zavatra tsy tokony hamavoina, eny na Andriamanitra mihitsy aza ny mpanjaka.