plt_tn/hos/05/10.md

1008 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Miresaka momba an'i Joda sy Israely i Yaveh.

Ireo mpitarik'i Joda dia toy ireo izay mamindra fefy vato

Ny "mamindra fefy vato" dia ilazana ny famindrana ny mari-tany izay nanamarika ny fetran'ny tany sasany, izay heloka teo amin'ny lalàn'ny Israelita.

Hararako toy ny rano amin'izy ireo ny fahavinirako

Ny fahatezeran'i Yaveh amin'i Joda dia ho tahaka ny rano lehibe mandriaka izay hamotika azy ireo. Ao amin'ny soratra masina, ny toetoetra ara-moraly sy fihetseham-po matetika dia resahina toy ny hoe rano.

Torotoro Efraima; torotoron'ny fitsarana izy

Natao indroa io teny io mba ho fanamafisan-kevitra. Eto ny "Efraima" dia manondro ireo olona ao amin'ny fanjakana tavaratr'Israely. DH: "Ho faiziko mafy ireo vahoakan'Israely"

hanaraka sampy

Eto ny hoe "manaraka" dia maneho hevitra fanompoana.

sampy

Ny teny Hebreo izay nadika hoe "sampy" eto dia tsy hay mazava ny heviny, ary izany dia adikan'ny dikan-teny vaovao amin'ny fomba maro samihafa.