plt_tn/hos/05/03.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Miresaka momba an'Israely i Yaveh.

Fantatro Efraima, ary Israely tsy miafina amiko

Eto "Efraima" sy "Israely" dia samy manondro ireo olona izay mipetraka any amin'ny fanjakana tavaratr'Isrely. Eto Andriamanitra dia milaza fa fantany hoe toy ny ahoana izy ireo ary inona no ataony.

Ry Efraima, ankehitriny ianao dia tonga toy ny mpivaro-tena

Toy ny hoe mpivaro-tena no anehoana an'i Efraima satria lasa tsy nahatoky tamin'Andriamanitra ny olona, tahaka ny mpijangajana izay tsy mahatoky amin'ny izay lehilahy rehetra.

satria ny fanahin'ny fijangajangana no ao amin'izy ireo

Midika izany fa manam-paniriana ny tsy hahatoky amin'Andriamanitra izy ireo. Te hanompo sampy izy ireo.

hiverina amin'Andriamanitra ... tsy fantatr'izy ireo Yaveh

Azon'ny mpandika teny atao ny manao izany hoe "hiverina amiko ... tsy mahafantatra Ahy izy ireo." na "hiverina amiko ... tsy mahafantatra Ahy, Yaveh izy ireo."

ary tsy fantatr'izy ireo Yaveh

Tsy mankatoa an'i Yaveh amin'izay mety ho fomba rehetra intsony Israely. Tsy manaiky an'i Yaveh ho Andriamaniny izy ireo.