plt_tn/hos/05/01.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Miresaka momba an'Israely i Yaveh.

Fa efa fandrika tany Mizpa ianao ary harato nivelatra teo amin'ny Tabara

Ny fandrika sy ny harato dia samy zavatra ampiasaina hahazoana haza. Amin'ity toe-javatra ity, ireo mpisorona sy ny fianakavian'ny mpanjaka dia namisavisa fomba ahafahana manalavitra ny olona amin'i Yaveh, ary maningotra azy ireo ho amin'ny fanompoan-tsampy. Mizpa sy Tabara dia toerana fanompoan-tsampy tao amin'ny tanin'Israely.

Ireo mpikomy dia mikiry fatratra amin'ny famonoana

Eto ny "mpikomy" dia manondro ireo rehetra izay niala tamin'i Yaveh, ary ny "mikiry fatratra amin'ny famonoana" dia mety manondro ny famonoana olona tsy manan-tsiny, na ny famonoana biby aterina ho an'ireo sampy.

Ireo mpikomy

Azon'ny mpandika teny aseho amin'ny hoe "Ianareo mpikony" io, satria tena miresaka amin'ireo vahoakan'Israely mpikomy tokoa Yaveh.

amin'ny famonoana

Ny dikan-teny vaovao sasany dia mandika ny teny Hebreo mba hilazana ny faharatsiana.

Izaho no hanasazy azy rehetra ireo

Azon'ny mpandika teny atao ny manao izany hoe "Ho saziako ianareo rehetra."