plt_tn/hos/04/11.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Miresaka momba an'Israely i Yaveh.

fijangajangana ara-nofo izy ireo, divay, ary divay vaovao, izay nanala ny fahazavan-tsain'izy ireo

Manao firaisana ara-nofo ivelan'ny fanambadiana ny vahoakan'Israely ary misotro divay be tafahoatra. Amin'ny fanaovana ireo fanaony ireo dia nanadino ny didin'i Yaveh izy ireo. Ireo fihetsika ireo dia resahina toy ny hoe olona izay afaka manakana ny hafa tsy hahalala ny mahazava-dehibe ny fankatoavana an'i Yaveh.

ary ny tapa-kazon'izy ireo nanome faminaniana ho azy ireo

Nampiasa tapa-kazo ireo mpanompo sampy mba hanampy amin'ny filazana ny ho avy. Ny tapa-kazo eto dia resahina toy ny hoe olona izay milaza faminaniana.

Fa namitaka azy ireo ny fanahin'ny fijangajangana

Ny fanompoana sampy sy ny fiaraha-mandry amin'ireo mpivaro-tena eo an-tempoly dia nahatonga faniriana tao amin'ny vahoakan'Israely hanota amin'i Yaveh hatrany tamin'ireo fomba ireo. Eto ny "fanahy" dia resahina toy ny hoe olona izay afaka mandresy lahatra ny hafa tsy hankatoa an'i Yaveh.

namitaka

nandresy lahatra ny olona mba hanota