plt_tn/hos/02/18.md

620 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Miresaka amin'i Hosea momba izay hataony amin'Israely i Yaveh.

Amin'izany andro izany

Io andian-teny io dia ampiasaina mba hiresahana momba ny fanarenana ho avy eo amin'Israely sy Yaveh.

hanao fanekena amin'izy ireo

Tafiditra ao amin'ny faneken'i Yaveh vaovao ny fiadanana ho an'ny biby.

Ho esoriko tsy ho amin'ny tany intsony ny tsipìka, ny sabatra, sy ny ady, ary hataoko mandry fahizay ianao

Ho sakanan'i Yaveh lavitra an'Israely ireo fahavalony, tsy hisy ady intsony, hilamina ny vahoaka.

mandry fahizay

Io fomba fiteny io dia ilazana ny fiainana am-pilaminana.