plt_tn/hos/02/02.md

40 lines
1.5 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Miresaka amin'i Hosea i Yaveh.
# fitoriana
Io dia fitarainana ataon'ny olona iray amin'ny olona iray hafa any amin'ny fitsarana.
# ny reninao
Eto ny "reny" dia manondro ny firenen'Israely.
# satria tsy vadiko izy
Ambaran'i Yaveh fa Israely, izay resahina toy ny hoe vehivavy, dia tsy manao fihetsika tahaka ny vady amin'i Yaveh intsony. Fa kosa, niala tamin'ny fanarahana sy fanompoana Azy Israely.
# ary Izaho tsy vadiny
Tsy afaka miaraka amin'ny firenen'Israely intsony Yaveh tahaka ny ataon'ny lehilahy amin'ny vadiny.
# sy ireo fihetsika fijangajangany
Ny vady mpijangajanga dia mandao ny vadiny mba hiaraka amin'ny lehilahy hafa. Izany no fomba fanaon'Israely amin'i Yaveh.
# eo anelanelan'ny nonony
Io kisarisary io dia manolo-kevitra fa miantehitra amin'ny sampy Israely fa tsy Yaveh.
# haboridako izy ka hasehoko ny fitanjahany tahaka ny tamin'ny andro nahaterahany
Tsy hiaro na hamatsy ho an'Israely intsony Yaveh satria niala taminy io firenena io. Tany Israely, ny lehilahy dia noteren'ny lalàna hanome fitafiana ho an'ny vadiny. Ny tsy fanaovana izany dia marika fa mandà ny vadiny ny lehilahy iray. Ny hevitr'izany feno dia azo atao mazava.
# Hataoko tahaka ny efitra izy
Hovain'i Yaveh ho tahaka ny tany efitra Israely, izay faritra ngazana sy tsy mamokatra.
# hataoko matin'ny hetaheta izy
Ny "hetaheta" dia ilazana ny filana ny fanompoana sy ny fianteherana amin'i Yaveh, fa tsy amin'ny sampy, raha tsy izany dia tsy ho afaka ny ho velona amin'ny maha-firenena Israely.