plt_tn/heb/13/09.md

1.9 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ity fizarana ity dia maneho ny sorona biby nataon'ireo mpino tao amin'Andriamanitra tamin'ny fotoanan'nyTestamenta Taloha, izay nanaromana ny fahotan'izy ireo vonjimaika mamdrapaha-faty an'i Kristy

Aza manaiky taomina amin'ireo karazana fampianarana hafahafa

Ny faharesen-dahatra amin'ny fampianarana samihafa dia resahina toy ny hoe olona entina an-keriny. DH: "Aza manaiky ho resen'ireo hafa lahatra ny mba hinonareo ireo karazana fampianarana hafahafa"

karazana fampianarana hafahafa

"ireo karazana fampianarana, maro, izay tsy vaovao mahafaly ambaranay aminareo"

tsara raha tokony hamafisina amin'ny fahasoavana ny fo, fa tsy amin'ny hanina izay tsy manampy ireo izay mandeha miaraka amin'izy ireo

DH: "Lasa mahery isika rehefa misaina ny fahatsoram-pon'Andriamanitra amintsika, fa isika dia tsy tonga mahery amin'ny fankatoavana ny fitsipika momban'ny hanina"

hamafisina ... ny fo

Eto ny teny "ny fo" dia maneho ny herim-pon' ny olona, fitiavana, ary fahatapahan-kevitra. Ireo zavatra ireo dia resahina mba ho hamafisina toy ny hoe fon'ny olona.

ireo izay mandeha miaraka amin'izy ireo

Ny fiainana dia resahina toy ny hoe mandeha. DH: "ireo izay miara-miaina amin'izy ireo" na "ireo izay mifehy ireo fiainany miaraka amin'izy ireo"

isika dia manana alitara

Eto ny "alitara" dia mijoro ho "toerana hivavahana." Izany ihany koa dia maneho ireo biby izay ataon'ireo mpisorona amin'ny fanekena taloha sorona, izay angalan'izy ireo hena ho an'ny tenan'izy ireo sy ho an'ny fianakaviny.

Fa ny ràn'ireo biby novonoina atao fanatitra ho an'ny ota dia nentin'ny mpisoronabe tao amin'ny toerana masina,

DH: "ny mpisoronabe dia mitondra ny ràn'ireo biby izay novonoin'ireo mpisorona ho an'ireo ota ao amin'ny toerana masina"

Nandritr'izany ny vatan'izy ireo dia nodorana

DH: "Nandritr'izany dia nodoran'ny mpisorona ny vatan'ireo biby"

tany ivelan'ny toby.

"lavitry ny fonenan'ny olona"