plt_tn/heb/12/25.md

1.5 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Rehefa nampifanohitra ny niainan'ireo Isiraelita tany an-tendrombohitr'i Sinay tamin'ny niainan'ireo mpino taorian'ny nahafaty an'i Kristy, dia mampatsiahy ireo mpino ny mpanoratra fa izy ireo dia manana Andriamanitra iray ihany izay mampitandrina an'izy ireo ankehitriny. Izany no fampitamdremana fahadimy nomena an'ireo mpino.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ity teny nindramina ity dia avy ao amin'ny mpaminany Hagay ao amin'ny Testamenta Taloha. Ny teny hoe "ianareo" dia manohy milaza ireo mpino. Ny teny hoe "isika" dia manohy milaza ny mpanoratra sy ny mpamaky izay mpino.

ianareo tsy handà ilay iray izay miteny

DH: "mitandrema ianareo amin'ilay iray izay miteny"

raha tsy nandositra izy ireo

DH: "raha tsy nandositra ny fitsarana ireo vaohakan'Isiraely"

ny iray izay nampitandrina azy ireo teto an-tany

Ireo dikan-teny azo heverina: 1)"Mosesy izay nampitandrina an'izy ireo teto an-tany" na 2) "Andriamanitra izay nampitandrina azy ireo teo amin'ny tendrombohitr'i Sinay"

raha mihodina amin'ilay iray izay mampitandrina

Ny tsy fankatoavana an'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe olona izay mitodika ary mandeha manalavitra Azy. DH: "raha tsy mankatoa ilay iray izay mampitandrina isika"

ny feony nanozongozona ny tany

"rehefa niteny Andriamanitra, dia manozongozona ny tany ny feony"

nanozongozona ... hanozongozona

Ity dia mamerina maneho ny tao amin'ny 12:18 sy izay nitranga rehefa nahita ny tendrombohitra izay nandraisan'i Mosesy ny lalàna avy amin'Andriamanitra ny olona.