plt_tn/heb/12/04.md

2.9 KiB

fahotana, be fahotana, mpanota, manota

Ny teny hoe ''fahotana'' dia maneho ireo heitska, eritreritra, ary teny izay manohitra ny sitrapon' Andriamanitra sy ny lalàny. Ny fahotana ihany koa dia maneho ny tsy fanaovana ny zavatra izay tian'Andriamanitra hataontsika.

Ny teny hoe "ra" dia maneho ny tsiranoka mena izay mivoaka avy amin'ny hoditry ny olona rehefa misy ratra na fery. Ny rà dia mitondra sakafo manome fiainana ho an'ny vatan'ny olona iray manontolo. Ny rà dia manamarika ny fiainana ary rehefa latsaka na raraka izany, dia manamarika ny fahaverezan'ny aina, na fahafatesana. Rehefa nanao sorona ho an'Andriamanitra ireo olona, dia namono biby izy ireo ary nandraraka ny ràn'izany teo amin'ny alitara. Izany dia manamarika ny soron'ny ain'ilay biby mba handoa ny vidin'ny otan'ny olona. Tamin'ny alalan'ny fahafatesany teo amin'ny hazofijaliana, dia nanamarika ny fanadiovana ireo olona amin'ny fahotan'izy ireo ary ny fandoavana ny vidin'ny fanasaziana mendrika azy ireo noho ireo fahotana ireo ny ràn'i Jesosy. Ny fomba fiteny hoe "nofo sy rà" dia maneho ny maha-olombelona. Ny fomba fiteny hoe "ny nofoko sy ny ràko manokana" dia maneho ny olona izay mifandray amin'ny lafiny biolojika.

mampirisika, fampaherezana

Ny teny hoe "mampirisika" sy "fampaherezana" dia maneho ny fitenenana sy fanaovana zavatra izay mampionona, mampisy fanantenana, mampisy fahatokiana, ary faherezana ny olona.

nampianatra, fampianarana

Ny teny hoe "nampianatra" na "fampianarana" dia maneho fanomezana toro-lalana voafaritra momban'izay tokony hatao.

Ry zanako

Ny teny hoe "zanaka" dia maneho ny fifandraisan'ny tovolahy na lehilahy amin'ireo ray aman-dreniny. Izany afaka milaza ihany koa na ny zanaka lahy na zanaka lahy natsangana.

Tompo

Ny teny hoe "Tompo" dia maneho ny olona izay manana fananana na fahefana eo amin'ny olona. Rehefa nohazavaina izany, dia fiantsoana izay maneho an'Andriamanitra.

fitsipiky ny Tompo

Ny teny hoe "fitsipika" dia maneho ny fanazarana ny olona mba hankatoa ny fametrahana ny toro-lalan'ny fitondran-tena.

fitiavana

Ny fitiavana olona hafa dia ny fikarakarana izany olona izany sy fanaovana izay zavatra mampisy tombotsoa azy. Misy dikan-teny samihafa ho an'ny "fitiavana" izay andikan'ny fiteny sasany amin'ny teny hafa. 1) Ny kazana fitiavana izay avy amin'Andriamanitra dia mifantoka amin'ny fanaovana tsara amin'ny hafa, na dia tsy misy tombotsoa ho an'ny tena aza. Izany karazana fitiavana izany dia mikarakara ny hafa, na inona na inona zavatra ataony. Andriamanitra mihintsy no fitiavana ary loharanon'ny tena fitiavana. 2) Ny teny hafa ao amin'ny Testamenta Vaovao dia maneho ny fifankatiavan'ny mpirahalahy na fitiavan-namana na mpianakavy. 3) Ny teny hoe "fitiavana" dia afaka adika ho fitiavan'olon-droa lahy sy vavy ihany koa.

manasazy

Ny teny hoe "manasazy" dia midika hoe mampijaly olona iray nohon'ny fanaovana zavatra tsy nety.