plt_tn/heb/12/01.md

2.6 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Nohon'ny isa lehiben'ireo mpino ao amin'ny Testamenta Taloha, dia miresaka ny fiainan'ny finoana izay tokony hiainan'ireo mpino miaraka amin'i Jesosy ho toy ny ohatr'izy ireo ny mpanoratra.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny teny hoe "isika" dia maneho ny mpanoratra sy ireo mpamakiny. Ny teny hoe "ianareo" dia maneho ireo mpamaky

satria isika voadidina vavolombelona maro be toy ny rahona

Ny mpanoratra dia miresaka momban'ireo mpino ao amin'ny Testamenta Vaovao toy ny hoe rahona izay manodidina ny andro ankehitrinin' ireo mpino. DH: "toy ny rahona ben'ny fijoroana vavolombelona manodidina antsika" na "misy ohatra maro amin'ny olona mahatoky momban' izay hianarantsika ao amin'ny Soratra Masina"

andeha isika hamela ny vesatra rehetra sy ny fahotana mora manodidina antsika

Eto ny teny hoe "vesatra" sy "fahotana mora manodidina" dia resahina toy ny hoe olona afaka manala ny tenany ary mampidina azy ireo"

ny vesatra rehetra

Ny toetra na fahazarana izay mitazona ireo mpino amin'ny fahatokisana sy fankatoavana an'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe entana izay natao sarotra ho an'ny olona ny hitondra azy raha mihazakazaka.

fahotana mora manodidina

Ny fahotana dia resahina toy ny hoe arato na zavatra hafa izay afaka misambotra ny olona ary mampianjera azy ireo. DH: "ny ota dia manasarotra ny fankatoavana an'Andriamanitra"

Andeha isika hihazakazaka am-paharetana ny fihazakazahana izay napetraka teo alohantsika

Ny fanarahana an'i Jesosy dia resahina toy ny hoe fihazakazahana. DH: "Andeha isika hanoy hankatoa izay nandidin'Andriamanitra antsika, toy ny mpihazakazaka mandeha hatrany mandrapa-tapitry ny hazakazaka"

mpampiantomboka sy mpanatanteraka

"mpamorona sy mpamarana." Ity dia midika fa Jesosy no loharanon'ny finoan'ireo mpino. Izy ilay iray izay hitokian'ireo mpino, ary Izy ihany koa dia manome antoka fa hahatratra ny tanjony ireo mpino.

ny hafaliana izay napetraka teo anoloany

Ny hafaliana izay an'i Jesosy dia resahina toy ny hoe napetrak'Andriamanitra Ray teo anoloany izany mba ho tanjona tratrarina.

tsy niraharaha ny henatr'izany

Ity dia midika fa tsy voakasika momban'ny henatra ny fahafatesana teo amin'ny hazofijaliana Izy.

nipetraka teo an-tanan'an-kavanana

Eto ny "tanana an-kavanana" dia maneho ny toeram-boninahitra. DH: "nipetraka teo am'ny toeram-boninahitra Izy." Jereo ny nandikanao ity tao amin'ny 1:1.

seza fiandrianan'Andriamanitra

Eto ny "seza fiandrianana" dia maneho ny fanapahan'Andriamanitra toy ny mpanjaka. DH: "an'Andriamanitra izay mpanjaka"

reraka ao am-ponareo

Eto ny "fo" dia maneho ny eritreritry ny olona sy ny fihetseham-po. DH: "kivy"