plt_tn/heb/11/35.md

2.2 KiB

Nitsangana tamin'ny maty tamin'ny fananganan-ko velona ireo vehivavy

Ny teny hoe "fitsanganana tamin'ny maty" dia midika hoe "rehefa natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty izy ireo." DH: "Nandray ny fahavelomana indray ireo vehivavy izay efa maty"

Ireo hafa dia nampijaliana, tamin'ny tsy fanekena ny famotsorona

Izany dia midika fa ny fahavalon'izy ireo dia hafanaka azy ireo ao amin'ny trano maizina raha mandà an'i Jesosy ho Tompo izy ireo. DH: "Ireo hafa dia nanaiky ny fampijaliana raha tokony ho nafahana tao an-trano maizina" na "Ireo hafa dia namela ireo fahavalo hampijaly azy ireo fa tsy nandà an'i Jesosy mba hanafahan'ireo fahavalony azy ireo, ary"

fitsanganana tsara kokoa

Ireo dikan-teny azo heverina: 1) ireo olona dia hiaina fiainana tsara kokoa any an-danitra noho izay niainan'izy ireo teto amin'izao tontolo izao na 2) ireo olona ireo dia hananana fitsanganana tsara kokoa noho ireo izay tsy nanana finoana. Ireo miaraka amin'ny finoana dia hiaina mandrakizay miaraka amin'Andriamanitra. Ireo tsy manana finoana dia hiaina mandrakizay amin'ny fisarahana amin'Andriamanitra.

Ny hafa dia notsapaina tamin'ny fanesoana sy ireo fikapohana, ary eny fa na ny fatotra sy ny fanagadrana aza. Notoraham-bato izy ireo. Notsofaina hizara roa izy ireo. Novonoina tamin'ny sabatra izy ireo

DH: "Ny olona naneso ary nikapoka ireo hafa ... ny olona nitora-bato ireo hafa. Ny olona nanatsofa ny hafa ho roa. Ny olona namono ireo hafa tamin'ny sabatra"

Ny hafa dia notsapaina tamin'ny fanesoana sy ireo fikapohana, eny fa na ny fatotra sy ny fanagadrana aza

DH: "Andriamanitra nitsapa ny hafa tamin'ny famelana ny fahavalon'izy ireo haniratsira sy hikapoka azy ireo ary koa hamatotra azy ireo sy nanagadra azy ireo"

tamin'ny hoditr'ondry sy hoditr'osy izy ireo

"nitafy hoditr'ondry sy hoditr'osy fotsiny izy ireo"

Nahantra

"tsy nanana na inona na inona izy ireo" na "lasa nahantra be izy ireo"

Izao tontolo izao dia tsy mendrika

Eto ny "izao tontolo izao" dia maneho ny olona. DH: "Ny olona eto amin'izao tontolo izao dia tsy mandrika"

lava-bato, ary tany amin'ireo lavaka ambanin'ny tany

"ary ny sasany niaina tany amin'ny lava-bato sy tany amin'ny lavaka ambanin'ny tany"