plt_tn/heb/10/30.md

822 B

Fampahafantatarana amin'ny ankapobeny:

Ny teny hoe "isika" dia maneho ny mpanoratra sy ny mpino rehetra. Ireo teny roa ireo dia avy ao amin'ny lalàna izay nomen'i Mosesy ao amin'ny Testamenta Taloha.

Ahy ny valifaty

Ny valifaty dia resahina toy ny hoe zavatra izay an'Andriamanitra, izay nanana ny marina ho atao araka izay niriany miaraka amin'izay hananany. Andriamanitra dia manana ny marina hanao valifaty eo amin'ireo fahavalohy.

Izaho no hamaly

Andriamanitra mamaly faty dia resahina toy ny hoe mandoa ny karamana mendrika azy amin'ny olona Izy.

hilatsaka eo an-tanana

Ny fandraisana ny sazin'Andriamanitra feno dia resahina toy ny hoe olona mianjera eo amin'ny tananan'Andriamanitra. Eto ny teny hoe "tanana" dia maneho ny herin'Andriamanitra hitsara. DH: "mba handray ny sazy fenon'Andriamanitra"