plt_tn/heb/10/19.md

3.0 KiB

Fampifandriasana ny foto-kevitra

Nampahazava fa iray ihany ny sorona ho an'ny fahotana, dia manohy amin'ny sarin'ny toerana masina indrindra ao amin'ny tempoly ny mpanoratra, izay ny mpisoronabe ihany no afaka miditra ao isan-taoana miaraka amin'ny ràn'ny sorona ho an'ireo fahotana. Mampatsiahy an'ireo mpino Izy fa midera an'Andriamanitra ao amin'ny fanatrehany izy ireo ankehitriny toy ny hoe mijoro ao amin'ny toerana masina indrindra.

ry rahalahy

Eto izany dia milaza ireo mpino rehetra ao amin'i Kristy na lahy na vavy. DH: "ry rahalahy sy anabavy" na "namana mpino"

toerana masina indrindra

Ity dia midika ny fanatrehan'Andriamanitra, fa tsy ilay toerana masina indrindra ao amin'ny tabernakely taloha.

tamin'ny ràn'i Jesosy

Eto "ny ràn'i Jesosy" dia maneho ny fahafatesan'i Jesosy.

lalana velona

Ireo dikan-teny azo heverina: 1) Izany dia lalana vaovao mankany amin'Andriamanitra izay nomen'i Jesosy farany an'ireo mpino velona mandrakizay na 2) Jesosy dia velona, ary Izy no lalan'ireo mpino hidirana ao amin'ny fanatrehan'Andriamanitra.

tamin'ny alalan'ny lamba

Ny lamba tao amin'ny tempolin'ny tany dia maneho ny fisarahana eo amin'ny olona sy ny fanatrehan'Andriamanitra marina.

tamin'ny alalan'ny nofony

Eto ny "nofo" dia mijoro ho tenan'i Jesosy, ary ny tenany dia mijoro ho soron'ny fahafatesany. DH: "tamin'ny alalan'ny fahafatesany"

isika dia manana mpisorona lehibe mitandrina ny tranon'Andriamanitra

Ity dia tokony hadika amin'ny fomba manazava tsara fa Jesosy izany "mpisorona lehibe" izany.

ny tranon'Andriamanitra

Ity dia miresaka momban'ireo olon'Andriamanitra toy ny hoe trano ara-bakiteny izy ireo. DH: "Ny olon'Andriamanitra rehetra"

aoka isika hanatona

Eto ny teny hoe "hanantona" dia maneho ny fiderana an'Andriamanitra, tahakan'ny mpisorona miakatra eo amin'ny alitaran'Andriamanitra mba hanao sorona biby ho Azy.

am-po madio

"fo mahatoky" na "fo tsotra." Eto ny "fo" dia maneho ny tena sitram-po sy zotom-pon'ireo mpino.

amin'ny finoana feno fahatokiana

"miaraka amin'ny finona mahatoky" na "mahatoky tanteraka an'i Jesosy"

mba hananantsika fo voadio

DH: "toy ny hoe nodioviny tamin'ny ràny ny fontsika"

fo voadio

Eto ny "fo" dia maneho ny fieritreretana, ny fahalalana ny marina sy diso. Ny voadio dia maneho fa voavela ary nomena ny mariky ny fahamarinana. Ireo fo dia resahina toy hoe afaka nodiovina tamin'ny rà.

hananantsika vatana voadio tamin'ny rano madio.

Afaka adika hoe. DH: "toy ny nodioviny ny vatantsika tamin'ny rano madio"

hananantsika vatana voadio tamin'ny rano madio

DH: "toy ny hoe nodioviny tamin'ny rano madio ny vatantsika"

vatana voadio tamin'ny rano madio

Raha azon'ny mpadika-teny toy ny hoe milaza ny batisa Kristiana ity fehezanteny ity, dia ara-bakiteny ny "rano," fa tsy ara-panahy. Fa raha norasaina ho ara-bakiteny ny rano, dia ho ara-panahy ny "madio," maneho ny fahadiovana ara-panahy izay nolazain'ny batisa eto fa ho tanterahina. Ny "fanadiovana" dia maneho an'ireo mpino neken'Andriamanitra.