plt_tn/heb/10/01.md

1.5 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ny mpanoratra dia mampiseho ny fahalemen'ny lalàna sy ny fanatiny, ny antony nanomezan' Andriamanitra ny lalàna, ary ny maha-tonga lafatra ny fisoronana vaovao sy ny soron'i Kristy.

ny lalàna dia alok'ireo zavatra tsara ho avy fotsiny

Ity dia miresaka momban'ny lalàna toy ny hoe aloka izany. Ny mpanoratra dia milaza fa ny lalàna dia tsy ilay zavatra tsara izay nampanantenain'Andriamaniatra. Izany dia tombatombana fotsiny ny amin'ny zavatra tsara izay hataon'Andriamanitra.

tsy tena endrik'ireo zavatra ireo

"tsy tena ireo zavatra ireo mihintsy"

tsy efa nitsahatra ny nanolotra ireny sorona ireny ve izy ireo?

Ny mpanoratra dia mampiasa fanontaniana mba hampisehoana fa ireo sorona dia voafehy eo amin'ny herin'izy ireo. DH: "Izy ireo dia hijanona hanolotra ireo sorona ireo."

raha efa nodiovina ... izy ireo

Ireo fahotan'ny olona dia resahina toy ny hoe afaka ny ho voadio ara-batana. DH: "raha efa namela ny fahotan'izy ireo Andriamanitra"

tsy mba hahafantatra ny ota intsony

"hahafantatra fa izy ireo dia tsy voaheloky ny ota intsony"

Satria ny ràn'ny omby lahy sy osy lahy dia tsy mahavita manala ireo ota

Ireo fahotana dia resahina toy ny hoe zavatra izay afaka diovin'ny ràn'ny biby raha mikoriana izany. DH: "Fa tsy vitan'ny ràn'ny omby lahy sy osy lahy ny hahatonga an'Andriamanitra hamela ireo fahotana"

ràn'ny omby lahy sy osy lahy

Eto ny "rà" dia maneho ireo biby maty ireo ho toy ny sorona ho an'Andriamanitra.