plt_tn/heb/09/11.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Rehefa namaritra ny fanompoana ny tabernakely teo ambanin'ny lalàn'Andriamanitra, dia manazava ny mpanoratra fa ny fanompoana an'i Kristy eo ambanin'ny fanekena vaovao dia tsara kokoa satria voahisy tombo-kase tamin'ny ràny. Tsara kokoa ihany koa izany satria Kristy dia niditra tao amin'ny "tabernakely" marina, izany dia, ny fanatrehan'Andriamanitra manokana any an-danitra, raha tokony hiditra, toy ireo mpisoronabe hafa, ao amin'ny tabernakely eto an-tany, izay fandikana mitovy tsy tonga lafatra.

zavatra tsara

Ity dia tsy maneho ireo zavatra ara-materialy. Izany dia midika ireo zavatra tsara izay nampanantenain'Andriamaniatra tao amin'ny fanekeny vaovao.

tabernakely lehibe kokoa sy lafatra kokoa

Ity dia midika fa ny lain-danitra na tabernakely dia manan-danja kokoa sy tena lafatra noho ny tebernakely eto an-tany.

izay tsy nataon'ny tanan'olombelona

DH: "izay tsy ny tanan'olombelona no nanao azy"

toerana masina indrindra

Ny fanatrehan'Andriamanitra any an-danitra dia resahina toy ny hoe toerana masina indrindra, ny efitra anatiny indrindra ao amin'ny tabernakely.