plt_tn/heb/08/01.md

1.3 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ny mpanoratra, rehefa nampiseho fa ny fisoronan'i Kristy dia tsara kokoa noho ny fisoronana eto an-tany, dia mampiseo fa ny fisoronana eto an-tany dia lamin'ireo zavatra any an-danitra. Kristy dia manana asa fanompoana ambony, fanekena ambony.

Ary

Ity dia tsy midika hoe "amin'izao fotoana izao," fa nampiasana mba hisintonana ny saina ho amin'ny hevitra manan-danja izay manaraka eo.

lazainay

Na dia mampiasa ny mpamaritra "izahay" aza ny mpanoratra, dia milaza ny tenany fotsiny ihany izy. DH: "lazaiko" na "soratako"

nipetraka teo an-tanan'ankavanan'ny

Eto ny teny hoe "tanana ankavanana" dia maneho ny toeram-boninahitra. DH: "Nipetra teo amin'ny toeram-boninahitra izy." Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 1:1.

ny seza fiandrianan'ilay be Voninahitra

Eto ny teny hoe "be voninahitra" dia maneho an'Andriamanitra, ary ny "seza fiandrianana" dia maneho ny fanapahan'Andriamanitra toy ny mpanjaka. DH: ''Andriamanitra, ilay mpanjakanay be voninahitra"

ilay tabernakely marina izay Tompo, fa tsy ny olona, no nanorina azy

Ny olona dia nanamboatra ny tabernakely eto an-tany avy amin'ny hoditra biby nafatotra tamin'ny hazo voarafitra, ary izy ireo nametraka izany tamin'ny fomba toy ny lay. Eto ny "tabernakely marina" dia midika hoe ny tabernakelin'ny lanitra izay noforonin'Andriamanitra.