plt_tn/heb/07/22.md

816 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ny mpanotra dia manome toky an'ireo mpino Jiosy fa Kristy dia manana fisoronana tsara kokoa satria Izy miaina mandrakizay ary ireo mpisorona izay taranaka avy amin'i Arona dia maty avokoa.

nanome antoka

"nanome toky"

Amin'ny lafiny iray ... Amin'ny lafiny iray hafa

Ireo fehezanteny ireo dia nampiasana mba hampitahana zavatra roa. Ny fiteninao dia mety manana fomba hanamafisana fa manao fampitahana ny mpanoratra. Na afaka esorina ilay hoe ''amin'ny lafiny iray'' ary adika fotsiny hoe '"Fa" ilay hoe "amin'ny lafiny iray hafa."

ny fahafatesana no manakana azy ireo hanohy

DH: "maty izy ireo ary tsy afaka ny hanohy"

manana fisoronana mandrakizay izy

Ny asan'ny mpisorona dia resahina toy ny hoe zavatra izay nananan'i Jesosy. DH: "Izy dia mpisorona maharitra"