plt_tn/heb/07/07.md

1.0 KiB

ny olona ambany indrindra dia omen'ny olona ambony indrindra tso-drano

DH: "ny olona manan-danja indrindra no hitso-drano ny olona tsy manan-danja"

Amin'izany tranga izany ... amin'ity tranga ity

Ireo fehezanteny ireo dia nampiasaina mba hampitahana ny Levita mpisorona amin'i Melkizedeka. Ny fiteninao dia mety manana fomba hanamafisana fa ny mpanoratra dia manao fampitahana.

dia voaporofo fa mbola velona izy

Tsy voasoratra mazava ao amin'ny Soratra Masina mihintsy fa maty Melkizedeka. Ny mpanoratra ny bokin'ny Hebreo dia miresaka izany tsy fahampian'ny fampahafantarana momban'ny fahafatesan'i Melkizedeka ao amin'ny Soratra Masina izany toy ny hoe fanambarana tsara fa mbola velona izy. DH: "ny Soratra Masina dia mampiseho fa velona izy"

Levy ... dia tao anatin'ny tenan'ny razambeny

Satria mbola tsy teraka Levy, dia miresaka azy toy ny hoe mbola ao amin'ny vatan'i Abrahama ny mpanoratra. Amin'izany fomba izany, dia milaza ny mpanoratra Levy dia nandoa ampahafolon-karena tamin'i Melkizedeka tamin'ny alalan'i Abrahama.