plt_tn/heb/06/19.md

1.7 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Nahavita ny fampitandremany fahatelo sy ny fampaherezana an'ireo mpino, ny mpanoratra ny bokin'ny Hebreo dia manohy ny fampitahany an'i Jesosy amin'ny maha-mpisorona azy amin'i Melkizedeka amin'ny maha-mpisorona azy.

ho aro sy vatofantsika azo hiankinana ho an'ny fanahintsika

Tahaka ny vatofantsika mitazona ny sambo mba tsy handeha eny amin'ny rano, dia miaro antsika Jesosy eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra. DH: "Izany no mahatonga antsika miaina am-pitoniana ao amin'ny fanatrehan'Andriamanitra"

aro sy vatofantsika azo hiankinana

Eto ny teny hoe "aro" sy "azo hiankinana" dia manana dika-teny mitovy ary manamafy ny antoka tanterak'ilay vatofantsika. DH: "vatofantsika azo antoka tanteraka"

fahatokiana izay miditra ao amin'ny fitoerana anatiny ao ambadiky ny lamba

Ny fahatokiana dia resahina toy ny hoe olona izay afaka mandeha ao amin'ny toerana masina indrindra ao amin'ny tempoly.

fitoerana anatiny

Ity no toerana masina indrindra ao amin'ny tempoly. Izany dia nosainina ho ilay toerana izay nanatrehan'Andriamanitra indrindra teo amin'ny vahoakany. Eto amin'ity andalana ity, dia mijoro ho lanitra sy efitra fiandrianan'Andriamanitra izany toerana izany.

mpialoha lalana ho antsika

Ny zava-nisy hoe maty Jesosy ary nitsangana indray, ary Izy dia miaraka amin'Andriamanitra Ray ankehitriny, dia manondro fa isika izay mino Aminy dia hiaina ireo zavatra tahaka izany. Jesosy eto dia resahina toy ny hoe olona izay mihazakazaka eo alohantsika ary isika dia mihazakazaka ao aoriany. DH: "toy ny iray izay mandeha eo alohantsika"

manaraka ny fomban'i Melkizedeka

Izany dia midika fa Kristy amin'ny maha- mpisorona dia manana zavatra iombonana amin'i Melkizedeka. DH: "tahaka an'i Melkizedeka izay mpisorona"